Atolotro ho anao ity hirako ity
R'ilay tambanivohi-dahy
Hany nanome ahy fotsim-bary
Fony aho mati-mosary
Atolotro ho anao ity hirako ity
R'ilay tambanivohi-dahy
Hany nanome, hany mba nitsetra
Fony aho nangetaheta
Rano kely ihany
Nefa tao am-po
Toy ny afon-dasy ngeza be
Raha ho avy ny andro iray ka
Hahalasananao r'ilay tambanivohi-dahy
I Jehovah Tompo anie mba hitahy
Ho aminao mandrakizay
Ny hafa anie ka dia nandà
F'izaho ilay boto jiolahy
Ny hafa anie ka dia nihomehy
F'izaho ilay boto jiolahy
Atolotro ho anao ity hirako ity
R'ilay zavavy namako any
Hany mba nandray ny tanako
Fony aho orim-pitia
Atolotro ho anao ity hirako ity
R'ilay zavavy namako any
Hany mba nandray, nandray nanambitamby
Fony aho nilaozam-bady
Teny kely ihany
Nefa tao am-po
Toa ny afon-dasy ngeza be
Raha ho avy ny andro iray
Ka hahalasananao r'ilay zavavy namako any
I Jehovah Tompo anie mba hitahy
Ho aminao mandrakizay
Ny hafa anie ka dia nandà
F'izaho ilay boto jiolahy
Ny hafa anie ka dia nihomehy
F'izaho ilay boto jiolahy
Fa hono ho'aho zareo tsara fivelomana
Mihaody any aho mba manontany
Moa va ianareo tsy mba mino akory
Fa misy masoandron'ory (bis)
'Zaho anie ka tsy hitana am-po
Fa hivavaka ho anareo
Raha ho avy ny andro iray
Ka hahalasananao Ratsarafivelomana
I Jehovah Tompo anie mba hitahy
Ho aminao mandrakizay